Mamporisika ny tanora any Beira ny Loholona Gong mba handranto fianarana mandritra ny androm-piainana. 

Image

Tamin’ny 19 mey, nihaona tamin’ny tanora nananika 1 400 tany Beira, Mozambika ny Loholona Gerrit W. Gong ao Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny fampaherezam-panahy narahina fandraisana tsara, tsiky, sy fijoroana ho vavolombelona ary fanasana mba hanakaiky kokoa ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandrantoana fianarana sy fifandraisana mampiorina.

Nanotrona ny Loholona Gong ny Rahavavy Susan Gong, vadiny, sy ny Loholona Denelson Silva, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Afrika Atsimo sy Rahavavy Regina Silva, vadiny. Teo ihany koa ny Loholona Freeman Dickie sy Rahavavy Sukoluhle Dickie vadiny. 

Elder Gong greeting

Nivondrona tao amin’ny trano Fiangonan’i Palmeira ireo mpikambana sy naman’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny tolakandro feno hafanana. Nanenika ny trano fiangonana iray manontolo sy ny trano lay roa lehibe tamin’ny fientanentanana sy fanajana raha nandray ny Loholona sy ny Rahavavy Gong izy ireo. Namihina tamim-pitiavana sy tamin-kafaliana ireo izay sendra azy ireo ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sady naneho fankasitrahana noho ny finoany sy ny fanatrehany. 

Accompanied

Nozarain-dRahavavy Gong ny lesona nampianarin’ny zaobaviny azy; i Susan Gong (teraka Peterson) izay nandalo tamim-pinoana lehibe ny homamiadana mafy nianjady taminy. Nofaranan-drahavavy Gong tamin’ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny heriny manasitrana izany: “Mijoro ho vavolombelona aho fa manasitrana ny fontsika ny Mpamonjy. Mamela ny helotsika Izy. Manamamy ny fifandraisantsika Izy. Mampanantena fitsanganana amin’ny maty be voninahitra Izy.” 

Elder Gong writing on the Board

Nampianarin’ny Loholona Gonga ireo tanora fa dingana arahina mandritra ny androm-piainana izay ombam-pivoarana sy fiovan’ny tena ny fianarana. Natombony tamin’ny amin’ny alalan’ny fampianarana andian-teny Sinoa ny mpanatrika izany; koa nasehony tamin’izany fa miova araka ny lantom-peo sy ny haavon’ny feo ny dikan’ilay teny hoe “ma”. Heniky ny tsiky nentanin’ny hafaliana avy tamin’ny fiarahana mianatra ny trano fiangonana rehefa niteny Anglisy ny Loholona Gong ary namerina ilay andian-teny tamin’ny fiteny Pôrtogey ireo tanora.  

Nampifandraisin’ny Loholona Gong tamin’ny lanjan’ny fitozoana mianatra ilay zava-nitranga teo: “Mila mianatra ny fomba fianatra daholo isika. Arakaraka ny ianarantsika ny fomba fianatra,” hoy izy, “no ahafahantsika mianatra zavatra maro kokoa”. “Miaina ao anatin’ny vaninandro izay ilantsika mianatra zava-baovao isan’andro isika” hoy izy nanohy. “Raha mianatra zava-baovao iray isan’andro isika, dia izay no antsointsika hoe fianarana. Ary nilaza ny mpaminany [Filoha Dallin H. Oaks] hoe mila mandranto fianarana betsaka araka izay tratrantsika isika.”

Elder Gong

Nandehandeha teo anivon’ny tanora ny Loholona Gong nandritra ilay fampaherezam-panahy ka nanasa azy ireo hamaky ny soratra masina sy hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolomelona raha naneho ny fanekeny tamin’ny alalan’ny fiatoky ny lohany matetika kosa ny mpanatrika. Nampahatsiahiviny azy ireo fa samihafa ny fomba fianatry ny olon-drehetra koa nampianariny fa satria miseho amin’ny endriny maro ny fianarana, ny olona tsirairay dia tokony hikatsaka ny karazana fianarana izay tsara indrindra ho azy ireo. 

Tsotra ny hafatry ny Loholona Gonga ho an’ireo mpanatrika: “Ny karazana fianarana rehetra izay afaka manampy ny olona iray dia fianarana tsara. Mila mandrantro fianarana isika rehetra mba hanampy amin’ny fikarakarana ny tenantsika sy mba ho mizaka tena. Arakaraky ny habetsaky ny zavatra azontsika atao no ahafahantsika mitahy ny hafa kokoa.” 

 

Manolotra fanampiana tahaka izay ho nomen’i Kristy an’i Mozambika 

Hospital

Nandritra ny fanompoany tany Beira, nitsidika ny Hôpitaly Foiben’i Beira ny Loholona Gong ny 20 mey 2026 mba hanolotra amin’ny fomba ôfisialy ireo fampitaovana momba ny physiothérapie izay nomen’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay anisan’ezaka mitohy mikasika ny asa fanasoavana eo amin’ny faritra. 

Nandray ny vondrona sy nitarika azy ireo nanerana ireo tranon’ny hôpitaly ny Dr. Amir Seni, Talen’ny Hôpitaly sy i Assane Abdala, Talen’ny Sampan-draharaha misahana ny fahasalamana any amin’ny faritra ary i Edgar Itai Meque, Lehiben’ny mpitsabo any amin’ny faritra. 

Service Project

Ny Hôpitaly Foiben’i Beira, izay mihoatra ny 100 nisiana, no hôpitaly fandefasan’ny mpitsabo ny marariny any amin’ny Faritr’i Sofala ary mikarakara ireo vondrom-piarahamonina manerana an’i Mozambika afovoany. Maro ireo marary tsy voatsabo any amin’ireo toeram-pitsaboana any amin’ny toerana misy azy ireo sy any amin’ireo toeram-pitsaboana kelikely no afindra ao mba hahazo fitsaboana manokana sy hisitraka ireo fitsaboana fanarenana. 

Nandritra ilay fitsidihana, ireo lehiben’ny mpitsabo dia nizara ireo fahafahana sy ireo olana atrehan’ilay toerana, anisan’izany ny fotodrafitrasa izay efa tranainy ary ny fiakatry ny tinadin’ireo olona mila fitsaboana. Manohy manome fikarakarana feno fiantrana an’ireo marary aman’arivony manerana ny faritra ihany anefa ireo mpitsabo sy mpitsabo mpanampy ary mpiasan’ny fahasalamana na dia eo aza ireo fanamby ireo.

Elder & Sister Gong

Tamin’ny 2025, ny Fiangonana, niaraka tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny UNICEF, dia nanavao ny Sampan-draharaha misahana ny fikolokoloana ny reny manao fitazaina manolokoditra (Fitazain’ny Reny Kangoro), izay manampy ireo reny sy ny zaza vao teraka ho tafarina haingana rehefa avy ao amin’ny sampan-draharaha fameloman’ aina ny zaza vao teraka. Manampy amin’ny fanavaozana mitohy atao ao amin’ny toeram-pitsaboana ny reny sy ny zaza ary ny toeram-piterahana ihany koa ny Fiangonana ka manampy  amin’ny fikarakarana ny reny sy ny zaza eo anivon’ireo fianakaviana manerana ny faritra. 

Ireo fampitaovana momba ny physiothérapie dia hanampy ireo sampan-draharaha misahana ny fanarenana sy hanohana ireo marary eo andalam-pahasitranana amin’ny ratra sy aretina nanjo azy ireo ary ireo karazam-pitsaboana mila fikarakarana maharitra. Nomarihin’i Dr. Amir fa hitahy ny fiainan’ny marary miisa 1 200 eo ho eo, izay karakaina eo anivon’ny hôpitaly, amin’ny fotoana ilàna izany ireo fampitaovana ireo. 

Greeting

Nandritra ilay fotoam-panolorana, ny Loholona Denelson Silva dia niresaka momba ny fanolorantenan’ny Fiangonana amin’ny fanaovana asa fanasoavana sy ny fikarakarana an’ireo izay sahirana. Nilaza izy fa nisy ireo ezaka ireo noho ny finoana sy ny fahalalahantanan’ny mpikamban’ny Fiangonana ary taratry ny fampianaran’ny Mpamonjy mba hitia an’ Andriamanitra sy ny namantsika ireo. 

handwriting

Naneho fankasitrahana ihany koa Rahavavy Regina Silva ny amin’ny fahafahan’ny Fiangonana manampy amin’ny famatsiana loharanom-pitaovana izay afaka manome fahafahana lehibe kokoa an’ireo zaza vao teraka mba ho afaka miaina sy ho sitrana ary hiaina ao anatin’ny fahasalamana. 

RS

Nandritra ilay fitsidihana ny Loholona sy ny Rahavavy Gong dia naneho fisaorana an’ireo mpiasan’ny fahasalamana noho ny fangorahana sy fanolorantena ary ny fanompoana ataon’izy ireo amin’ny mponin’i Mozambika. Hoy ny Loholona Gong raha niresaka momba ireo filàna misy tsy tapaka eo amin’ny faritra: “Fantatray fa maro tokoa ireo filàna saingy hanohy hiara-hiasa tsikelikely isika. Fantatray fa zavatra mahatalanjona ny zavatra ataonareo mba hitahiana olona maro ao anatin’ny toe-java-tsarotra”, hoy izy, naneho ny fankasitrahany tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana. “Isan’andro ianareo dia mitahy reny sy zaza marary ary atolotray anareo ny haja ambony indrindra.” 

Elder Gong

Nandritra ny fotoana nandalovany tany amin’ny Faritr’i Sofala, nihaona tamin’ny Son Excellence, Manuel Rodrigues Alberto, Skereteram-panjakana misahana ny Faritr’i Sofala, ny Loholona Gong mba hifampiresaka momba ny asa fanasoavana mitohy sy ny ezaka fanampiana ny fiarahamonina ataon’ny Fiangonana eo amin’ny faritra. Nohamafisin’ny Loholona Gong nandritra ilay fihaonana ny fanohanana tsy tapaka ataon’ny Fiangonana momba ireo tetikasa mikasika ny fahasalamana, anisan’izany ny fanampiana nomena ny Hôpitaly Foiben’i Beira taorian’ny fahapotehana nateraky ny Cyclone Idai ary koa ny fanomezana fampitaovana ara-pitsaboana sy vatsy mba hanatsarana ny sampan-draharaha misahana ny fanarenana. Naneho fisaorana ny Fiangonana ny Son Excellence tamin’ny fiaraha-miasa sy ny fiantraikany tsara izay entin’ny fandaharanasa fanasoavana tsy tapaka eo amin’ireo vondrom-piarahamonina, indrindra fa eo amin’ny zaza amam-behivavy. 

Ny Fiangonana any Mozambika  

Efa hatramin’ny 1996 no nisian’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tao Mozambika ary manana mpikambana mihoatra ny 42 000 izy manerana ny firenenana. Manohy manohana ny asa fanasoavana sy ireo hetsika mikasika ny fampiroboroboana ny fampianarana ary ny vondrom-piarahamonina manerana ny firenena ny Fiangonana.