Manomboka asa fanompoana manerana firenena maro ao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo ny Loholona Dale G. Renlund sy ny Rahavavy Ruth L. Renlund 

/

Vao tsy ela no nanomboka dia miavaka tao amin’ny Repoblikan’I Zambie ny Loholona Dale G. Renlund, mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo an’Ny Fiangonan’I Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany miaraka amin’ny Rahavavy Ruth L. Renlund, vadiny. Ity fitsidihana ity dia manamarika ny fiatombohan’ny asa fanompoana manerana firenena maro ao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo an’ny Fiangonana. Traikefa niavaka manokana izany ho an’ny Loholona Renlund satria niverina tamina faritra iray izay manan-danja indrindra tamin’ny asa fanompoana izay nataony teo aloha izy tamin’ny naha-Filohan’ny Vondromparitry ny Vondromparitra Afrika Atsimo Atsinana azy. Tsy fitsidihana enti-manompo fotsiny ihany izany fa fodiana nahatsapana fitiavana ho an’ny Loholona sy Rahavavy Renlund satria dia nipetraka tao Johannesburg nandritra ny 5 taona izy ireo. 

 

/

Tamin’ny alahady 16 febroary 2025 dia fanahy miavaka no nanenika ny tontolo manodidina raha nanomboka tonga mialoha lavitry ny fotoana tokony hanombohan’ny  Fihaonamben’ny Tsatòka sy Distrika miavaka iray ireo fiara fitateram-bahoaka. Niara-nivory tamim-pahadodonana ireo mpikambana sy namana avy ao amin’ny Tsatòka Lusaka sy ireo Distrika Ndola sy Kitwe ka niandrandra ireo fampianarana entanim-panahy nentin’ny Loholona Renlund. Ny endrika nitory hafanam-po an’izy ireo dia naneho faniriana niraisana ny handre fitarihana avy amin’ny Apôstôlin’ny Tompo iray. 

 

/

Fitsipika fototra dimy hanatanjahana ny fiainantsika 

Nizara fitsipika fototra dimy izay tena manan-danja amin’ny fandresena ireo olan’ny fiainana sy amin’ny fanasana ny herin’ny lanitra eo amin’ny fiainantsika ny Loholona Renlund. Ireo fitsipika ireo izay miorimpaka amin’ny finoana sy amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia andry azontsika hanorenana fifandraisana matanjaka kokoa amin’ Andriamanitra: 

  1. Mahafantatra ny maha-izy azy antsika ao amin’i Kristy 

  1. Finoana an’i Jesoa Kristy 

  1. Mamaky sy mivavaka momba ny Bokin’i Môrmôna 

  1. Mampitombo fitiavana sy firaisan-kina tahaka an’I Kristy 

  1. Ny vokatra ara-boajanahary avy amin’ireo fitsipika ireo; Faniriana hanompo amin’ny asan’ny Tompo 

/

Nanamafy ny fitohizam-pivoarana ara-boajanahary izay ateraky ny fanarahana ireo fitsipika efatra voalohany ny Loholona Renlund tao anatin’ilay fitsipika fahadimy: “Raha manaraka ireo fitsipika efatra voalohany isika—mahafantatra ny maha-izy azy antsika, ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, ny finoantsika mafy orina momba ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ary ny fampitomboana fitiavana sy firaisan-kina tahaka an’i Kristy—dia faniriana lalina ny hiaraka amin’ny Mpamonjy amin’ny fanaovana ny asany mba hanampiana Azy amin’ny iraka be voninahitra nampanaovina Azy no vokatra ara-boajanahary azo.” 

/

Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna: Fanasana ho an’ny tena manokana 

Mba hanazavana kokoa ilay fitsipika fototra fahatelo dia nizara tantara sarobidy iray taminy manokana izay nitranga nandritra ny fahatanorany ny Loholona Renlund. Fony izy vao 11 taona dia nisy Filohan’ny Misiôna iray izay nanasa azy sy ireo namany mba hamaky ny Bokin’ Môrmôna sy hivavaka mba hahafantarana ny fahamarinan’izany. Tsaroan’ny Loholona Renlund ny fomba namolavolan’izany fanasana toa tsotra kanefa mahery vaika izany ny diany ara-panahy. 

Tao anatin’ny fotoana heniky ny fihetseham-po dia nanasa ireo ankizy 11 taona rehetra izay nanatrika ny fotoana ny Loholona Renlund mba handroso teny aloha ary hamonjy azy teny an-dampihazo. Raha nijoro nifanakaiky izy ireo dia nampanao fanamby azy ireo izy: “Moa ve ianao hamaky ny Bokin’i Môrmôna tahaka ny nataoko tamin’ny nitovy taona taminao? Moa ve ianao hivavaka momba izany? Moa ve ianao hanampy ireo ray aman-dreninao hanao toy izany ihany koa?” Niara-nanetsika ny lohan’izy ireo ho fanekena izany ireo ankizy vontom-pinoana, ary nampanantena fa handray izany fanamby izany amim-pahamatorana. Raha nitodika tany amin’ireo mpanatrika ny Loholona Renlund dia hoy izy nampahery azy ireo hoe: “Raha vitan’izy ireo izany dia vitanareo ihany koa.” 

/

Fanahin’ny fisoronana sy fanompoana 

Niaraka tamin’ny Loholona sy Rahavavy Renlund ny Loholona Vaiangina Sikahema, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Afrika Atsimo, Rahavavy Sikahema, vadiny ary ny Loholona Ignatius Maziofa, Fitopololahin’ny Vondromparitra. Nijoro ho vavolombelona mahery vaika mikasika ny Fisoronana ny Loholona Sikahema nandritra ny Lahateny nataony ka namporisika ireo ray aman-dreny mba hampifaka ireo fitsipiky ny filazantsara ao amin’ny zanak’izy ireo: “Ireo zanakalahinareo izay mbola tanora tokoa dia tsy tanora loatra. Ampianaro dieny izao izy ireo dia hitombo ao amin’ny filazantsara.” 

/

Fanasana hanompo amin’ny asan’ny Tompo 

Teo am-pamaranana dia nanolotra fanasana lalina tamin’ireo rehetra izay nanatrika ny Loholona Renlund: “Aoka ianareo ho vonona ny hanompo. Aoka ianareo ho vonona ny hizara. Aoka ianareo ho vonona ny hampiasa ireo talenta izay nomena anareo mba hanampiana an’i Jesoa Kristy amin’ny asany amin’izao andro farany izao, hitondrana famonjena ho an’ny zanak’ olombelona.” Nanakoako lalina ny teny nambarany, ka niantso ireo Olomasina mba handray andraikitra miaraka amin’ny fahatsapana nohavaozina hanatratra tanjona. 

Rehefa nifarana ilay fivoriana dia niarahaba tsirairay ireo Olomasina sy namana mihoatra ny 1200 izay tonga nanatrika ilay fihaonambe ny Loholona Renlund. Heniky ny fahatsapana fankasitrahana sy fankaherezana ara-panahy lalina ny tontolo manodidina raha nahatsapa ny fiantraikan’ny fitsidihan’ilay Apôstôly ny olona tsirairay. 

Taorian’ilay fihaonambe dia nilaza i Sam Pashad, rahavavy iray avy ao amin’ny tsatòka Lusaka hoe: “Nahatsiaro ny fitiavan’ny Mpamonjy aho raha nanatrika teto anio. Nahakasika ny foko ny nandre ny Loholona Renlund niresaka momba ny toetrako araka an’ Andriamanitra satria nanamafy ny zavatra izay efa nianarako fony aho mbola tao amin’ny Kilonga izay toa lasa adinoko indraindray: zanak’ Andriamanitra aho.” 

/
/

________________________________________

Fampaherezan-panahy ho an’ny Tanora 

/

Ny tolakandron’io dia niresaka tamin’ireo tanora tao amin’ny Ivontoeran’ny Tsatòka Lusaka nandritra ny Fampaherezan-panahy miavaka iray ho an’ny Tanora ny Loholona Renlund. Nanantitrantitra izy fa ny fahalalana an’I Jesoa Kristy dia tsy voafetra amin’ny maha-lahy na maha-vavy  na amin’ny anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana fa fanomezam-pahasoavana ara-panahy kosa natao ho an’ireo izay mendrika. “Ny fahafantarana fa i Jesoa Kristy dia nohomboana noho ny fahotan’izao tontolo, noho ny fahotanao sy ny ahy, dia fanomezam-pahasoavana sarobidy,” hoy izy.

/

Nifameno tamin’ny lahateny nataon’ny vadiny ny an’ny Rahavavy Ruth L. Renlund izay nanamafy fa tsy ampy ny mahafantatra fotsiny ihany.  Hoy izy nanazava: “Mba hahafantarana zavatra iray dia mila arahinao asa izany.” “Mitombo amin’ny alalan’ny fanaovana asa ny finoana.” Namporisika ireo tanora izy mba haneho ny finoan’izy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana asa ary nanantitrantitra izy fa ny fomba hanehoantsika ny finoantsika dia amin’ny alalan’ny tongotsika, amin’ny alalan’ny fandrosoana amim-pahatokisana sy amin’ny fanaovana asa. 

/

Niresaka momba ny herin’ny fanaovana safidin’ny tena manokana avy eo ny Loholona Renlund ary notsindriany fa miankina amin’ny olona tsirairay ny safidy hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy, ny hanompo Azy sy hanasa ny Fanahy eo amin’ny fiainan’izy ireo. “Rehefa manao izany isika,” hoy izy nanohy, “dia handositra eo anoloanareo ny tendrombohitra ary ny renirano dia hivily amin’ny lalany.” Niaiky izy fa miatrika fanamby maro samihafa ny rehetra, toy ny fanirery, ny ahiahy na ny aretina kanefa ny fanalahidy amin’ny fandresena ireny “tendrombohitra” ireny dia ny fampitomboana ny finoantsika, ka dia mitaky ezaka izany. 

Nanomboka tamin’ny taona 1940 no tao Zambie ny Fiangonana rehefa tonga tao Copperbelt Region tao Zambie ireo Olomasin’ny Andro Farany voalohany saingy dia nitsahatra tamin’ny taona 1969 ny asa fitoriana ny filazantsara. Tamin’ny taona 1990 dia nanampy tamin’ny fanorenana indray ny Fiangonana ireo mpikambana niova fo izay niverina teny an-toerana ary nisy sampana iray izay naorina tao Lusaka ny taona 1992. Nanomboka teo dia tsy nitsaha-nitombo ny Fiangonana ka ny taona 2015 no niorina ny tsatòka voalohany tao Lusaka. Ankehitriny dia mihoatra ny 5000 ireo Olomasin’ny Andro Farany ao Zambie. 

/
/