Mizara hafatra mitondra finoana sy  momba ny fitahiana entin’ny tempoly  ao Johannesburg sy Durban  ny Loholona Gong 

Image

Namporisika ireo mpikambana sy misiônera ary naman’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Rahavavy Susan Gong, vadiny, mba hitodika amin’nyMpamonjy sy hikatsaka ireo fitahiana entin’ny tempoly nandritra ny 
fitsidihana niendrika fanompoana nataon’izy ireo tamin’ny volana mey izay naharitra 9 andro. 

Nanerana an’i Afrika Atsimo, Angola, Mozambika ary Madagasikara ary nanomboka tany Johannesburg ny asa fanompoana 
nataon’ny Loholona Gong ny 15 ka hatramin’ny 24 mey 2026. Tsy fotoana nanamafisana fihavanana fotsiny ihany ity fitsidihana ity fa fahafahana 
nampahatanjahanafinoana sy fanahy ihany koa ho an’ireo izay nanatrika izany.  

Niaraka tamin’ny Loholona Gong tamin’izany ny Loholona Kevin R. Duncan, Fitopololahy Manam-pahefana Ambony ary Mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy sy ny Rahavavy Nancy Duncan, vadiny, ary ny Loholona Vaiangina Sikahema, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’nyFiadidian’ny 
Vondromparitra Afrika Atsimo sy ny Rahavavy Keala Sikahema, vadiny. 

Johannesburg  

Fivoriana fanomezana toromarika ireo mpitarika eo anivon’ny Vondromparitra  

Elder Gong greeting

Nivory tao Sandton, Johannesburg ireo mpitarika ny Fiangonana, izay nahitana ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra 
sy ireo mpitarika misiôna, tsatòka, ary distrika manerana ny Vondromparitra Afrika Atsimo, 
mba hanatrika fivoriana fanomezana toromarika ireo mpitarika ny 16 mey. 

The brethren
Leadership

Nifantokatamin’ny firaisan-kina sy ny maha mpianatr’i Kristy izany fivoriana izany 
ary nifototra tamin’ireo fitsidihana nataon’ny Loholona Gong vao haingana tao Afrika Atsimo 
sy Zimbabwe ary fandaharan’asa hatao amin’ny hoavy ao Malawi, Namibie ary Réunion.
Ny anjara asan’ny fisoronana amin’nyfampandrosoana ny asan’ny Tompo no tena nifantohan’ireo toromarika.

Elder Gong writing on the Board

Nampianatra ny Loholona Gong, raha nampiasa fifanahafana amin’ny orana,fa tahaka ny tokony 
hahatongavan’ny rano any am-paran’ireo laharan-javamaniry mba hikolokoloina azy ireo, 
dia manana andraikitra ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana haka antoka fa ny mpikambana rehetra 
dianotoloran-tanana sy nampahatanjahana ara-panahy, indrindra ireo izay mahatsapa ho nisy nanadino.
“Rehefa miresaka momba ny orana isika, ny tena tanjona dia ny fakana antoka fa tonga any am-paran’ny laharana tsirairay ny rano mba hamelona ny zavamaniry rehetra”, hoy ny LoholonaGong. 

Firaketana ireo fitsidihina narahana asa fanompoana   

Nihaona tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana tao Botswana, Eswatini, Zambie ary Zimbabwe ny Loholona Gong 
mba handinihana miaraka ny zavatra niainan’izy ireo vao haingana. Nisaintsaina momba ireo fotoana niavaka nisian’ny 
fitomboana sy ny finoana tao amin’ny firenen’izy ireo ireompitarika tafiditra tao anatin’izany ny fanokanana vao 
haingana an’i Eswatini sy ny Tempolin’i Harare Zimbabwe izay niahian’ny Loholona Gong.

Chadambuka

Hoy ny Filoha, Filohan’ny Tempolin’i Zimbabwe, raha namariparitra ireo fitahian’ny tempoly: “Efa manomboka mahita ireo fitahian’ny tranon’ny Tompo ao Harare isika rehefa mahita ireo 
fiara fitaterana mitondra zatovo tonga mba hanatanteraka batisa sy ôrdônansy ho an’ireo }
havan-tian’izyireo.” 

Botswana

Ankoatra izany, i Santee Lebala, Filohan’ny tsatòka ao Botswana sy Thatayaone Pule, Filohan’ny Distrika
 dia nanazava ilay fomba fiteny Setswana hoe “Pula e ne” tamin’ny Loholona sy Rahavavy Gong, izay midika hoe “Aoka ho avy ny orana” na “Aoka hirotsaka ireo fitahiana”. Nampiasa ilayandian-teny izy mba hilazana fa ireo f
itahiana nirotsaka manerana ny faritra dia afaka ny ho fitahiana ho an’ny maro izay notsindrian’ny Loholona Gong hoe “Feno fankasitrahana isika fa avelan’ny Tompo ho avy amin’ny toerana rehetra ny orana amin’ny fotoana iray”.

Tetikasa asa fanompoana 

Service Project

Niaraka tamin’ireo vadin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra, Filohan’ny misiona ary Filohan’ny Tempoly 
ary mpikabamana avy tao amin’ireo Tsatokan’i Johannesburg Avaratra sy Atsimo ny Rahavavy Gong 
sy ny Rahavavy Duncan mba handray anjara amin’ny fandaharan’asa fanompoana taoantokontanin’ny 
toeram-pivoariana ao Sandton. Niara-nanomana kitapo kely misy fitaovana fampiasan’ny tena manokana 
ho an’ny vehivavy sy ny zatovovavy tao anatin’ny fasahiranana izy ireo ka nasian’izy ireo taratasy kely misy 
sora-tanana maneho fitiavana sy fankaherezana tao anatiny. 

 

Elder & Sister Gong

Ireo kitapo kely dia nokarakarain’ny Home of Hope for Girls izay manolotra toeram-ponenana 
azo antoka ho an’ny ankizy sy zatovo izay efa niatrika fanararaotana izay ny ankamaroany 
dia mifandray amin’ny fivarotana zaza tsy ampy taona ary nahitana ihany koa ny Frida Hartley Shelter 
izaymanohana ireo vehivavy marefo sy tsy manan-kialofana ao Yeoville, Johannesburg. 

Greeting
handwriting
RS

Raha nisaintsaina io zavatra niainana io i Roanne Baldwin izay Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana ao amin’ny Paroasy Randburg dia nilaza izy hoe: “Na dia asa fanompoana nahafinaritra aza ny nanomanana ireo kitapo kely misy fitaovana fikarakaran-tena dia maro ireo rahavavy izay voakasikamanokana raha nanoratra taratasy kely manokana ho an’ireo 
zatovovavy sy vehivavy nandray izany. Nahatonga ilay zavatra niainana ho nahakasika ny tena manokana izany. 
Nahafinaritra ahy ny nijery ireo rahavavy niara-niasa niara-nihomehy ary nanompo tamin’ny fo iray.” 

Durban 

Fivoriana Fanasan’ny Tompo 

Tonga toa Durban ny 17 mey 2026 ny Loholona Gong sy ny Loholona Sikahema, niaraka tamin’ny 
vadin’izy ireo avy ary niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny Loholona Siyabonga Mkhize, 
izay Fitopololahin’ny Vondromparoitra sy i Tumeka Mkhize, vadiny, izay nahafahan’izy 
ireo nanatrika fivorianafanasan’ny Tompo manokana niaraka tamin’ny mpikambana sy 
namana miisa 300 avy tao amin’ny paroasy Berea sy Mayville. Feno tsiky sy fientanentanana 
ilay trano fiangonana kely teo am-pandrenesana torohevitra avy amin’ny Apôstôlin’ny Tompo. 

Nizara ny fijoroany ho vavolombelona ny Loholona fa “raha mitoetra ao amin’i Jesoa Kristy, 
Mpamonjy isika dia hahita fahombiazana amin’ny zava-drehetra ataontsika eo amin’ny fiainana.” 

Nampianatra ny Loholona Gong tao amin’ny hafatra nazarainy fa ny fankasitrahana no fototry 
ny fitiavana ary namporisika ireo mpikambana izy mba hanatona ny Mpamonjy sy ny Ray any 
An-danitra izay manam-pitiavana mahatalanjona ho an’ireo zanany.  

Ilay hira famaranana “Reste avec nous, Seigneur” (Cantiques, no. 92) dia naneho tao anatin’ny 
fahatsarana ny fanahy izay nanenika ilay fivoriana sy ny hafatra nentin’ny Loholona Gong 
tamin’ireo Olomasin’ny Andro Farany tao Durban. Teo am-pihirana ny hoe “
Reste avec nous, Seigneur, reste avec nous ! ” 
ireo mpanatrika dia fanahin’ny fiadanana sy fanajana lalina no nameno ilay toeram-pivoriana. 

Fihaonamben’ny Tsatòka  

Elder Gong

Ny tolakandron’izay dia niresaka tamin’ireo mpikambana sy namana tao amin’ny Tsatokan’i Durban 
sy Hillcrest tao amin’ny Ivotoeran’ny Fihaonambe tao Greyville ny Loholona Gong sy ireo mpitarika 
ny Fiangonana izay fotoana nanamafisana hafatra momba ny fitiavan’ Andriamanitra sy ireofitahiana entin’ny tempoly.  

Elder Sikahema

Nijoro ho vavolombelona momba ny fitiavana manavotry ny Mpamonjy ny Loholona Sikahema 
tao amin’ny lahateny nataony: “Mijoro ho vavolombelona aho ry rahalahy sy anabavy fa rehefa manaisotra ireo 
fahotana amin’ny tenantsika isika ary mibaboka izany dia afaka ny ho madio sy hositrana 
amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Afaka ny ho mendrika ny mihazona fahazoan-dalana hidirana ny Tempoly isika ary afaka mitsaoka ao amin’ny tranon’ Andriamanitra.” 

Elder Duncan

Nijoro ho vavolombelona ihany koa ny Loholona Duncan momba ireo fitahiana masina entin’ny tempoly: “Ny fijoroana ho vavolombelona entiko aminareo ry rahalahy sy anabavy dia mijoto eo amin’ny varavaran’ny 
tempoly ny Tompo ka misokatra ny sandriny. 
Rehefa mankany amin’ny tempolyianao dia alaovy sary an-tsaina fa eo Izy satria tena eo tokoa Izy..” 

Elder Gong

Nofaranan’ny Loholona Gong tamin’ny tsodrano avy amin’ny fo ho an’ireo mpanatrika ilay fivoriana: 
“Enga anie ny Tompo hitahy anareo amin’ny endriny rehetra. Hitahy anareo anie Izy noho ny hatsaranareo. 
Hitahy anareo anie Izy noho ny fahatokianareo. Hitahy anareo anie Izy noho ireofaniriana tsara anananareo. 
Hitahy anareo amin’ny fahasalamanareo anie Izy. 
Hitahy anareo amin’ny fifandraisanareo amin’ny fianakavianareo sy amin’ny asanareo anie Izy. 
Hitahy anareo amin’ireo fitahiana rehetra izay nampanantenaina anareo tao amin’ny tsodranon’ny 
patriarika anie Izy syamin’ireo zavatra tsara rehetra irianareo.”  

Nifamihana tamim-pitiavana tamin’ireo olona izay nihaona tamin’izy ireo nandritra ny fitsidihana 
nataon’izy ireo ny Loholona sy ny Rahavavy Gong ary nifandray tanana, nianatra ny anaran’izy ireo 
ary naneho fankasitrahana noho ny finoana sy ny fanoloran-tena nasehon’izy ireo.  

Members
members