Mamarana ny asa fanompoana nataony tao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo ny Loholona Gerrit W. Gong

Image

Vao haingana no namarana ny fitsidihana nataony tao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo, izay naharitra sivy andro, 
ny Loholona ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 
izay fotoana nihaonany tamin’ireo mpikambana sy naman’ny Fiangonana, mpitarika eo an-toerana ary manam-pahefana ara-panjakana tao Afrika Atsimo, 
Mozambika, Angola ary Madagasikara. 

Mpikambana sy misiônera manentana ny fanahy ao Angola 

Elder Gong greeting

Nandritra ny asa fanompoana nataony tao Angola, dia niaraka tamin’ny Loholona Gong ny Rahavavy Susan Gong, vadiny; ny Loholona Denelson Silva, 
Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Vondromaparitra Afrika Atsimo sy ny Rahavavy Regina Silva, vadiny; 
niaraka tamin’ny Loholona Amândio A. Feijó sy ny Rahavavy Dionisia Feijó, vadiny. 

The brethren

Nivondrona tao amin’ny trano fiangonana ao Nova Vida ao Luanda, Angola ireo namana sy mpikambana ary misiôneran’ny Fiangonana, ny 21 mey, 
nandritra ny fivoriana fampaherezam-panahy heniky ny Fanahy iray mba hihaino ny teny avy amin’ny Apôstôlin’ny Tompo iray. 

Nijoro ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny Loholona sy ny 
Rahavavy Silva ary nampianatra izy ireo fa fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra ho an’ireo zanany izany. 
Nofaranan’ny Loholona Silva tamin’ny fanasana ireo izay nanatrika mba hamela ny finoana 
hitarika ny fiainan’izy ireo. 
Hoy izy “Ny fanontanianareo aloha no ahiahio alohan’ny hiahiahianareo ny finoanareo”. 

Leadership

Niresaka tamim-pitiavana momba ireo zava-tsarotra atrehan’ny olona matetika ny Loholona Gong ary nampianatra izy fa ireo fanamby 
misy ankehitriny dia mandalo ihany ary ny Ray any An-danitra dia maniry ireo zanany mba hiaina fahasambarana mandrakizay. 
Nozarainy tamin’ireo mpikambana fa na dia tsy azontsika ahitsy aza ny ankamaroan-javatra dia afaka manasitrana sy mamerina 
ny zava-drehetra amin’ny laoniny ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. 

Nanasa ny rehetra ihany koa izy mba hiomana ho amin’ny Tranon’ny Tompo izay ho avy ao amin’ilay faritra izy. 
Nambara nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 2023 ny tempolin’i Luanda Angola. 
Hoy ny Loholona Gong: “Ny mba hahasambatra antsika mandrakizay miaraka amin’ireo fianakaviantsika no drafitra lehibe an’ny Raintsika any An-danitra ho an’ny fahasambarana.“
Mba hahafinaritra sy ho mandrakizay ny zavatra dia nomeny antsika ny tempoly masina. 
Izao no fotoana hiomanantsika mba handehanana, tsy indray mandeha na indray mandeha isan-taona fotsiny ihany fa matetika satria mila ireo fitahian’ny Tompo isika isan’andro.” 

Fivoriana ho an’ireo misiônera tao Madagasikara  

Chadambuka

Nihaona tamin’ireo misiônera avy ao amin’ny Misiôna Antananarivo Madagasikara Atsimo 
sy Avaratra tao amin’ny trano fiangonana Tsaralalana ny Loholona sy ny Rahavavy Gong ny 23 mey. 
Nizara hafatra nifantoka tamin’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo. 

Elder Gong writing on the Board

Namporisika ireo misiônera ny Loholona Gong mba hanompo amin’ny foto-pisainana hoe: “Araka ny zavatra haiko atao no ahafahako mitahy ny hafa”. 
Nanasa azy ireo izy mba hifampikarakara sy ho feno fahasahiana fa tsy hanery ny hafa kosa. 
Nampianatra ihany koa izy fa ny asa fitoriana dia mifototra amin’ny fanampiana mitondra 
ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanoloran-tanana ny hafa, ny fahatakarana ny toe-javatra misy azy ireo, 
ny fihainoana sy ny fianarana, ary ny fetezana ho ohatra tsara amin’ny fiainana ny filazantsara. 

Botswana

Maro ireo misiônera izay nilaza fa nandao ilay fivoriana ilay fivoriana ka nanana antoka matanjaka 
kokoa momba ny fitiavan’ny Mpamonjy sy fanoloran-tena nohavaozina hanao tsaratsara kokoa 
amin’ny asa fitorian’izy ireo, anisan’izany ny Sister Fanomezantsoa sy ny mpiara-mitory 
aminy izay samy avy ao Madagasikara. 

Fifandraisana masina mampiray ireo taranaka: 
Fihaonambe miavaka tao Madagasikara 

 

Service Project

Efa saika 4000 ireo mpikambana sy naman’ny Fiangonana izay nivory tao amin’ny Olympia tao Antananarivo nandritra tamin’ny fivoriana 
fampaherezam-pahany iray tamin’ny fihaonambe miavaka iray ny 4 mey, niaraka tamin’ny Loholona Gong teo am-pamaranany ny asa fanompoana 
faharoa izay natoany tao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo. Fanahin’ny finoana sy fanoloran-tena no nameno ilay 
fivoriana raha nijoro ho vavolombelona ny Loholona Gong fa: “Marina ny filazantsara. Marina tanteraka izany ary marina foana hatramin’izay”. 

accompany

Niaraka tamin’ny Loholona Gong ny Rahavavy Susan Gong, vadiny; ny Loholona Vaiangina Sikahema, 
Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra Afrika Atsimo sy ny Rahavavy Keala Sikahema, 
vadiny; ary ny Loholona Carl F. Krauss sy ny Rahavavy Amy Krauss, vadiny. 

Sis Krauss

Nijoro ho vavolombelona momba ny hery manavotry ny Mpamonjy ny Rahavavy Krauss ary nohamafisiny tamin’izany 
ny fibebahana sy ny vavaka isan’andro ary ny fitarihana tsy tapaka avy amin’ny Fanahy Masina. Nohamafisin’ny 
Loholona Krauss ny Famerenana amin’ny laoniny ka nambarany tamin’izany fa ny antso masin’i Joseph Smtih sy 
ny Bokin’ny Môrmôna dia loharanom-pitarihana. Hoy izy: “Ny fisian’ireo mpitarika ny Fiangonana eo anivon’ireo Olomasina eto 
Madagasikara dia tena fahafahana  ara-panahy manan-danja tokoa izay tokony hankamamiana.” 

Elder & Sister Gong

Nijoro ho vavolombelona tamin’ireo mpikambana ny Rahavavy Sikahema momba ny lanja masin’izy 
ireo ka nampianatra izy fa fantatr’ Andriamanitra ire zavatra ilain’ny tsirairay. 
Hoy izy: “Sarobidy sy manan-danja eo imason’ny Raintsika any An-danitra isika tsirairay avy.” 
Namporisika ihany koa izy ny mba hisian’ny firaisan-kina sy ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy, ary 
nantitranteriny fa ny fahasamihafana dia ampahany amin’ny drafitr’ Andriamanitra. 
Naneho fankasitrahana noho ny finoana asehon’ireo mpikambana tao Madagasikara 
ny Loholona Sikahema ary nomarihany ny fitomboan’ny 
Fiangonana noho ireo tsatòka vaovao sy ny fisian’ny asa fitoriana feno fahatokisana. 
Namporisika ireo fianakaviana izy mba hanomana ny taranaka vao misondrotra mba ho mpianatr’i Kristy. 

Greeting

Lohahevitra fototra nandritra ilay fivoriana ny fifandraisana masina mampiray ireo taranaka. 
Nampianatrany Rahavavy Gonga fa na ny fitiavana izay tsy tsaroantsika aza dia namolavola 
ny fiainantsika ary mendrika ny fankasitrahantsika. Namporisika ireo mpikambana izy 
mba hanaiky fa ny ankamaroan’ireo fitahiana eo amin’ny fiainana dia sady avy amin’ny hafa 
no avy amin’ny Mpamonjy ary mitondra antsika amin’ny fahasambarana sy ny fiainana 
mandrakizay izany. Nantitranteriny ny maha-zava-dehibe ny tempoly amin’ny 
fampiraisana ny fianakaviana sy ny fanolorona ireo fitahian’ny filazantsara amin’ireo 
razambentsika ka nampianatra izy he:“Tsy afaka ny hovonjena isika raha tsy eo ireo 
razambentsika ary tsy afaka ny hovonjena izy ireo raha tsy eo isika.” 

Nanasa ireo mpikambana ny Rahavavy Gong mba hiomana ho amin’ny tempoly amin’ny 
alalan’ny fiainana am-pahamarinana, ny fitadiavana ny anaran’ny razamben’izy ireo sy 
ny fianarana ireo tantaram-pianakaviana, ary nilaza izy hoe:
“Rehefa mianatra ny tantaran’izy ireo isika dia hahatsapa ho akaiky ireo razambentsika. 
Ny fianakaviana dia ampahany amin’nilay drafitry ny fahasambarana mandrakizay.” 
Nofaranany tamin’ny famporisihana ny rehetra mba hanampy amin’ny fitehirizana 
ny tantaram-pianakavian’izy ireo sy ny fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ireo taranaka. 

handwriting

Nanasa ireo mpikambana ny Loholona Gong mba hisaintsaina ireo fahafoizan-ten’ireo razamben’izy ireo ary mba 
hikatsaka ny tantaran’izy ireo. Hoy izy: “Tsy takatsika ny halehiben’ireo zavatra nomena antsika”, 
ary nantitranteriny fa ny fianarana momba ireo izay nialoha antsika dia miteraka fankasitrahana sy 
fahatakarana lalina kokoa maha-izy azy antsika. 
Namporisika ny rehetra izy mba hiresaka amin’ireo ray aman-dreny sy ray aman-drenibe, 
hitahiry ny tantaram-pianakaviana ary hanomana anarana ho amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly.  

Eo am-pitohizan’ny fanorenana ny tempoly Antananarivo Madagasikara dia nampianatra 
momba ireo fitahiana masina entin’ny tempoly ny Loholona Gong. Nanazava izy fa ny tempoly dia toerana 
izay hahafahana mamehy ny fianakaviana ho mandrakizy sy hanatanterahana ôrdônansy ho an’ireo razambentsika. 

Crowd

Nofariparitany fa ny tempoly dia toerana manampy ny isambatanolona hahita ny toerany eo amin’ny fianakavian’ 
Andriamanitra mandrakizay, ho an’ireo taranaka tamin’ny lasa sy ny ankehitriny ary amin’ny hoavy. 
Nasaina ireo mpikambana mba hitoetra ho mahatoky, hibebaka matetika ary hanaraka ny lalan’ny 
fanekempihavanana mba hahafahan’izy ireo miverina eo anatrehan’ Andriamanitra 
“amin’ny maha fianakaviana azy ireo, tsy misy pentina sy madio” hoy ny Loholona Gong. 

Nofaranan’ny Lololona Gong tamin’ny fizarana tsodranon’ny apôstôly teo amin’ilay nosy:
“Aminny maha Apôstôlin’ny Tompo ahy dia mitsodrano anareo sy ny fianakavianareo aho. 
Mitsodrano ny fahasalamanareo sy ny fianaranareo ary ny asanareo.  Ary mba hahafahan’ny 
Fanahy Masina manamafy sy mampitombo ny finoanareo sy ny fanantenanareo ary ny fiantranareo.
I Jesoa Kristy no Ilay Zanakalahy Velona. 
Ny Filoha Dallin H. Oaks no Mpaminany mitarika antsika ankehitriny.
Marina ny filazantsara. Marina tanteraka izany ry marina foana hatramin’izay.” 

RS

Raha niresaka momba ny zavatra niainany nandritra ilay fihaonambe miavaka i Kayel Ratelolahy, 13 taona dia nizara izy hoe:
“Nahatsapa fifaliana be aho nandritra ity fihaonambe ity. 
Ny zavatra tena nahakasika ahy indrindra dia ny fahafantarako fa mamela heloka ahy isan’andro Andriamanitra.
Tonga saina ihany koa aho fa miaraka amiko isan’andro Andriamanitra, eo Izy amin’ny dingana rehetra eo amin’ny fiainako.”  

Elder Duncan

Nanamafy finoana sy firaisan-kina teo amin’ireo mpikambana sy misônera ary mpitarika sy naman’ny 
Fiangonana ny asa fanompoana nataon’ny Loholona Gong manerana ny Vondromparitra Afrika Atsimo. 
Ny fampianarany momba ny tempoly sy ny fifandraisan’ny fianakaviana ary ny maha mpianatra dia 
namela fiantraikany maharitra manera ilay faritra.