Ny 17 febroary 2025, ny Loholona Dale G. Renlund, izay mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia niaraka tamin’ny vadiny, Rahavavy Ruth R. Renlund, raha nandray anjara tamin’ny lanonana fanapahana ruban ho an’ny Sekoly ambaratonga faharoa ao Shifwankula, Zambie izy ireo. Niaraka tamin’izy ireo tamin’izany ireo mpitondra fanjakana teo an-toerana, olona manan-kaja, ary mpitondra fivavahana vitsivitsy mba hankalaza io fotoan-dehibe io.

Io hetsika io no nanamarika ny fanolorana tamin’ny fomba ôfisialy ireo trano fianarana vao naorina, izay niteraka fifaliana lehibe teo anivon’ny fiarahamonina. Nahitana fampisehoana ara-kolotsaina feno fahavitrihana ilay lanonana, isan’izany ny fampisehoana an-kira nataon’ny tarika mpitendry mozikan’ny sekoly sy ireo majorettes, ary mpianatra an-jatony no nandray am-pitiavana ireo vahiny manan-kaja izay nanatrika.

Ny Sekoly ambaratonga faharoa ao Shifwankula, miaraka amin’ny Sekoly fanabeazana fototra ao Shifwankula izay teo akaiky teo no hany sekolim-panjakana ao amin’ny faritra, izay mahazaka mpianatra 7700 eo ho eo avy amin’ireo tanàna kely 13 manodidina eo. Vokatr’izany dia nitombo be ny filàna loharanom-pitaovana momba ny fanabeazana ary tsy vitan’ireo sekoly irery ny namaly izany filàna nitombo izany. Tamin’ny 2023 ny Fiangonana dia nanohana ny fanitarana ny sekoly tamin’ny alalan’ny fanorenana efitrano fianarana vaovao miisa sivy, trano fidiovana sy fivoahana, ary nanolotra dabilio 500 ho an’ny sekoly fanabeazana fototra.
Ao anatin’ny fitohizan’ny fampivoarana, dia nampiana labôratoara ho an’ny fikarohana siantifika, trano ho an’ny fitantanan-draharaha, ary trano fidiovana sy fivoahana vaovao ao amin’ny fotodrafitrasa an’ny sekoly ambaratonga faharoa. Izany dingan’ny fampivoarana izany dia maneho ny fanolorantena mitohy ataon’ny Fiangonana mba hanatsarana ny fanabeazana ao amin’ny faritra sy hamahana ireo sakana fototra amin’ny fianarana.

Nandritra ilay lanonana fanolorana fotodrafitrasa, dia nilaza ny fiantraikany lalina entin’ireo fanomezana ireo i Mwabashike Nkulukusa, Minisitra ao amin’ny Province Centrale, izay nitondra teny tamin’ny anaran’ny Minisitry ny fanabeazana. Nilaza izy hoe: “Ny fanamarihana tsara azo omena dia hoe nivoatra be tokoa ny tontolon’ny fianarana, ary hanatsara ny kalitaon’ny fanabeazana ho an’ny mpianatra ny fanatsarana nentina tamin’ilay fotodrafitrasa efa nisy.

Nampisongadina ny anjara asa manan-danja ananan’ny fanabeazana ao amin’ireo hetsika fanasoavana ny mpiara-belona ataon’ny Fiangonana manerana ny faritra maro ny Loholona Renlund tao anatin’ny lahateniny. Nambarany fa “Ny fanabeazana sy ny fahaizana mamaky teny sy manoratra dia manan-danja amin’ny fivoaran’ny tena manokana, ny fizakan-tena, ny fianakaviana matanjaka, ary ireo fitondrana anjara biriky manan-danja eo anivon’ny fiaraha-monina. […] Ny fanabeazana no fomba tsara indrindra ampitoviana lenta ny olona eo amin’ny fiainana. Izany no fototry ny fivoaran’ny ankizy sy ny zatovo rehetra ao Zambie.”
Rehefa namarana ny fitsidihany ny Loholona Renlund, dia nampahatsiahy ny vahoakan’i Zambie momba ny fitiavan’ny Mpamonjy azy ireo izy, nanolotra fampanantenana fa mihevitra ny amin’izy ireo foana Izy.

